Philippians 3

1Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina manoratra ireny zavatra ireny ho anareo. Ireny zavatra ireny dia hiaro anareo. 2Mitandrema amin’ireo amboa. Mitandrema amin’ireo mpanao ratsy. Mitandrema amin’ireo fanapahana rantsam-batana. 3Fa isika no voafora. Ary Isika no manompo amin’ny Fanahin’Andriamanitra. Ary isika no mirehareha ao amin’i Kristy Jesosy, ary tsy mitoky amin’ny nofo.

4Na izany aza, izaho tenako dia afaka mitoky amin’ny nofo. Raha misy olona mihevitra fa izy dia manana fahatokisana amin’ny nofo, afaka manao mihoatra noho izany aho. 5Noforaina tamin’ny andro fahavalo aho, teraka tao amin’ny vahoakan’Isiraely, tao amin’ny fokon’ny Benjamina, Hebreo tao amin’ireo Hebreo aho; araky ny lalàna, dia Fariseo aho.

6Tamin’ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana aho; Raha ny amin’ny fahamarinana ambanin’ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny aho. 7Fa na inona na inona tombony ho ahy, dia noraisiko ho toy ny fatiantoka ireny nohon’ny amin’i Kristy.

8Raha ny tena izy, nisaiko ho faty antoka avokoa ireo zavatra rehetra nohon’ny halehiben’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko. Noho Izy dia nariako ny zavatra rehetra. Heveriko ho fako ireny mba hahazoako an’i Kristy 9ary ho hita ao Aminy aho. Tsy manana ny fahamarinana ho an’ny tenako avy amin’ny lalàna aho. Fa kosa, manana ny fahamarinana izay tamin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy aho, fahamarinana avy amin’ny Andriamanitra izay mifototra amin’ny finoana. 10Koa ankehitriny dia te hahafantatra Azy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonana amin’ireo fijaliany aho. Te hiova amin’ny alalan’i Kristy aho mba hanahaka ny fahafatesany, 11mba hahafahako mahatsapa ny fitsanganana amin’ny maty.

12Tsy marina fa efa nandray ireo zavatra ireo sahady aho, na koa hoe tonga tanteraka aho. Fa miezaka aho mba handrombahako ilay nandrombahan’i Kristy Jesosy ahy. 13Ry rahalahy, tsy mieritreritra aho fa ny tenako dia efa nandrombaka izany. Fa misy zavatra iray: Adinoiko izay any aoriana ary miezaka ho an’izay eo aloha aho. 14Miezaka manatratra ny tanjona aho mba hahazo ny lokan’ny antso avy any ambony avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy jesosy.

15Isika rehetra izay matotra, aoka isika hieritreritra tahaka izany; ary raha misy eritreritrareo hafa momba zavatra rehetra, dia ho asehon’Andriamanitra aminareo ihany koa izany. 16Kanefa, na inona na inona efa tratrantsika, aoka isika hifikitra amin’izany.

17Aoka ho mpaka tahaka ahy, ianareo ry rahalahy. Diniho akaiky ireo izay mandeha araka ny ohatra izay hitanareo ao aminay. 18Maro ireo mandeha _ ireo izay efa nolazaiko anareo matetika, ary ankehitriny aho milaza aminareo amin-dranomaso _ tahaka ny fahavalon’ny hazofijalian’i Kristy. 19Fandringanana no fiafaran’izy ireo. Fa ny kibony no andriamaniny, ary ny fireharehan’izy ireo dia ao amin’ny fahamenarany. Mieritreritra ny zavatr’izao tontolo izao izy ireo.

20Fa any an-danitra ny fanjakantsika, izay hiandrasantsika Mpamonjy ihany koa, dia ny Tompo Jesosy kristy. Izy dia hanova ny vatanantsika izay malemy mba ho vatana manahaka ny vatany feno voninahitra, izay natao tamin’ny herin’ny fahefany mba hampanaiky ny zavatra rehetra amin’ny tenany.

21

Copyright information for PltULB